permalien TENA FITIAVANA VE ?

Rédigé le Lun 17 Sep, 2007 09:13:14 Ajouter un commentaire
Io sarin?ilay tiako fa mbola tsy mba hitako tarehy
Io ilay tiako ihany nefa izao mbola tsy ary nandrehy
Ny   feonay raha izaho na   izy atrimin?izao
Nefa tiako izy dia tiako tsotra foana   izao

Dia sariko aniko ny any mba mety hitanao any
Izay mombamomba ahy asa raha mba fatany
Fa izy dia milaza fa tia izay mampitsangambolo
Heno mihatra mangorintsina ny anaty manontolo

Dia soratra ihany ve no nampifatika anahy
Nagaga ahy   tsy mba arakin?ny vinaniko hatrizahy
Nefa izaho toa tafiditra tena lalina tokoa
Ka mila ho vaky ny loha mitady ity endrika soa

24/10/06

Arajech

permalien NY VOLA

Rédigé le Lun 17 Sep, 2007 09:06:11 Ajouter un commentaire
Mitovy ihany ny masoandron-tsika
Raha dia ianao mpanefoefo,
Na izaho mahantra marefo
Samy masoandro iray ny mitaratra an-tsika

Raha ny vola no mampirehare anao
Dia vidio ny masoandro
Ary ataovy tsara fitandro
Ho anareo mianakavy rehetra ao
Aza avela hitaratra anay
Izay mahantra lalandava fahizay
Fa efa voavidinao tamin?ny vola
Dia tandrovy aza avela ho tola
Hanazava an?izao totolo izao
Hitaratra anay mitsipozipozy lava izao

Samy ho faty raha tonga ny adrony
Na dia ianao izay mpanefoefo
Raha izaho mahantra izay marefo
Ka aza mifanao tsinontsinona r?itony

Fa raha ny vola no mampiavona anao
Dia vidio, dia hodidio ny fahafatesana
Tsy ipetrahanareo mianakavy am-pasana
Fa hirehareha hatany amin?ny tany izao
Hanjaranay mahantra fahizay ihany
Ny fandaozana tsy fidiny ny fiainana an-tany
Fa ianareo sy ny vola aman-karena
Dia hiriaria mandrakizay doria
Fa izahy kosa an-tranomanara fa tsy   hiriaria

Arajech
27/06/99

permalien ODY FITIA!

Rédigé le Lun 17 Sep, 2007 09:01:37 Ajouter un commentaire

Hiaraka aminao aho ry tiako
Ry malala izay nofidiko
Ninoninona miseho eto an-tany
Isika roa hiaraka hatrany   

Hiezaka isika ny hifandefitra
Izay fifandirana rehetra
Tsy maintsy ho hisy any aoriana
Fa tsy higoka foana ny hafaliana

Ny fifonana sy fifamelana
Hany fanafody iray hahafana
Mitsabo ny fitiavana
Natsika roa rahavana

Raha ireo no vitnatsika roa
Dia haharitra ny fitia ao am-poa
Mino aho fa hahita ny mamy
Anjarantsika roa eto an-tany

30/01/02

Arajech